Tsy amin’ny maraim-be, tsy amin’ny alim-be fa kosa amin’ny andro atoandro no nisehoan’ilay fanafihana. Tetsy Anosibe, ny alarobia tokony ho tamin’ny 11 ora, nisy lehilahy niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray. Toa efa fantany angamba fa tsy tao, tamin’io fotoana io, ny tompon-trano. io farany, raha araka ny fanazavana azo, dia nandeha teny amin’ny hopitaly, niambina ny vadiny izay vao tera-bao. Io tsy naha-teo azy io no nararaotin’ny mpanafika. Vao tafiditra tao an-trano dia nodarohany ny mpiasa vavy izay niambina ny trano. Tsy nisy afats’io rahateo no tao anatiny tao. Tsy vitan’ny fikasihan-tànana fa notsindromina antsy ilay olona izay mba namaly fa tsy manana na inona na inona homena ilay jiolahy. Tsy tian’ilay olon-dratsy izany valim-panontaniana izany ary dia tsindron’antsy avy hatrany no setriny. Teo amin’ny lamosiny sy teo amin’ny lohany no voan’ilay zava-maranitra. Nidika izany fa tsy ny hampitahotra mihitsy no tanjon’ny jiolahy nanafika ity trano ity fa kosa ny hamono. Rehefa nitsirara tamin’ny tany ilay vehivavy mpanampy an-trano dia nakorontana ambony ambany amin’izay ny entana rehetra mba hijerevana ny entana saro-bidy tao. Tsy mbola fantatra mazava hatreto ny tena lasa nandritr’ity fanafihana ity. Ny naratra kosa dia nentina teo amin’ny sampana fameloman’aina ary mbola tazomina ao amin’ny hopitaly hatramin’ny omaly.
D.R