- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Zazakely namoy ny ainy, nianjera avy tany ambony rihana

Analamahitsy : Zazakely namoy ny ainy, nianjera avy tany ambony rihana

Loza no niseho tao amina tokantrano iray, teny amin’iny faritra Analamahitsy iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Zazakely iray, izay vao telo taona monja no namoy ny ainy rehefa nianjera avy teny ambony rihana. Notatazana fanasan-damba tety ambany ity ary dia maty tsy tra-drano. Araka ny fanazavan’ireo mponina teny an-toerana, dia tsy nisy afa-tsy ity ankizikely ity irery no tao an-trano tany ambony rihana. Ilay reniny, raha ny voalaza, dia nanasa lamba taty ambany. Nitazantazana ity reniny avy teny ambony araka izany ity zaza ity no nitranga ny loza. Tsy voatan’ny ireo arofanina mantsy ilay zaza ka namantana avy hatrany.

Tapaka ny tànany sy ny hazon-damosiny ary vaky ny lohany, antony nitarika ny fahafatesany. Niantso vonjy avy hatrany ireo nahita ny loza, saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ain’ity tsy manan-tsiny ity. Nomena ny fianakaviana moa ny razana, rehefa notilian’ireo   mpitsabo. Omaly izy ireo no fantatra fa naterina tany am-pasan-drazany. Ny loza tokoa tsy mampiomana ary ny zaza, amin’ny maha zaza azy izay dia tsy mahalala velively izay mahafaty azy. Mila mailo dia mailo tanteraka araka izany ireo ray aman-dreny eo anatrehan’izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici