- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Zazakely maty nianjera, nitondra fanazavana ny fianakaviana

Analamahitsy : Zazakely maty nianjera, nitondra fanazavana ny fianakaviana

Nitondra fanampim-panazavàna mahakasika ilay lahatsoratra teto amin’ny Midi madagasikara, lah. 10308, nivoaka ny alatsinainy teo, tao amin’ny pejy faha-17, izay milaza ny momba ny « Analamahitsy : zaza telo taona maty, nianjera avy eny ambony rihana » ny fianakaviany. Araka ny fanazavàna nomen’Atoa Henri, raiben’ilay zaza namoy ny ainy, izay tonga teto aminay dia nisy fahadisoana tao amin’ilay lahatsoratra, mahakasika ny fomba nahafatesan’ity tsy manan-tsiny ity, izay tsy nianjera avy eny « ambony rihana » akory sy hoe « maty tsy tra-drano » araka ny voalaza ao anaty lahatsoratra. Ho fanajàna ny alahelon’ireo fianakaviana sy tsy hamohazana fota-mandry intsony anefa dia tsy ho lazaina eto ny tena zava-nitranga tamin’io fotoana io, araka ny fangatahan’izy ireo hatrany. Eo anatrehan’izay dia manantitra ny fialàn-tsiny amin’ny fianakaviana manontolo ny amin’ny zavatra mety ho naterak’io hadisoana io.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici