Taorian’ny fanemorana in-telo miantoana, anio no tsy maintsy hiatrika Fitsarana eo anoloan’ny Tribonaly Anosy Alain Ramarosn. Ity mpamao politika fantatra hatrmin’izay amin’ny maha mpitari-tolona ho fanoherana izay lazainy fa tsindry hazo-lena atao amin’ny madinika sy ireo mpandraharaha Malagasy manoloana ny ataon’ny vahiny. Isan’ny nanosika azy ho lohandohany hatrany tamin’ireo tolona niadiana ho fanovana natao teto amin’ny firenena izany. Nametraka ny anarany ho isan’ireo voalaza fa mahery fo hatreto. Saingy, ity raharaha tsy maintsy hiatrehany ny Mpitsara anio ity dia hafa mihitsy. Raharaha ady heloka tsotra, hoy ny filaza azy ao amin’ny lalàna. Hosoka sy fanaovana hosoka tamna varotra tany no anton-draharaha raha araka ny fantatra. Ary ny tena maha sarotra azy dia ity olana ity izay hifanandrianany amin’ny fianakaviany ihany.
Hatreto aloha dia milaza andriamatoa Alain Ramaroson fa tsy meloka satria toa hosoka nataon’ny olona nitokisany no nahatonga izao rehatra zao. Na izany aza anefa, tsy manakana ny rehetra izay mahala ny momba ity lehilahy ity ny hampifangaro izao fanenjehana azy izao amin’ny resaka politika ny zava-misy hatreto.
T.M.