Manomboka avadiky ny olona ho tanimbary ny farihin’Alaotra. Misy mamono sy mihinana ny vorona sy ireo biby ao anaty zetra, toy ny vorondrano, ny fanihy, ny Bandro, bibilava. Lasa ifandrombahana ny fividianana tany any anaty zetra, satria mamokatra ary matetika dia olona ambony no manao izany, hoy ny fanazavana. Tsy hanaiky intsony ny fokonolona ka nampiaka-peo ary nivondrona. Fokonolona marobe no tonga nivory teo amin’ny toerana malalaka tao Ambodivoara Ambohitsilaozana, « Point de vue », ao amoron-jetra amoron’Alaotra, ny faha- 15 jolay 2017 lasa teo, vahoaka tezitra sy nitady fanazavana tamin’ireo tompon’andraikitry ny rano sy ala aty Alaotra Mangoro, niaraka tamin’ny loholon’i Madagasikara Atoa Rabenony Day, izay nohafaran’izy ireo ho eny hitafa aminy , fa raha tsy izany dia hilahatra any Ambatondrazaka ny fokonolona. Araka ny nambaran’ny fokonolona tamin’ny fandraisam-pitenenana dia entanina izy ireo hiandry ny zetra , izay tsy azo kitihana fa faritra arovana, nefa misy ireo olona voalaza fa VOI sy ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo mivarotra ny zetra havadika ho tanimbary. Gaga sy talanjona ny fokonolona fa ny olona avy amin’ny faritra hafa, sy tanana hafa ankoatra ireo fokonolona mipetraka manodidina no manana tany ao anaty zetra, efa vita « borne » sy titra aminy. Mitady ny hamerenana ny fitantanana ny zetra amin’ny fokonolona ny vahoaka ,ary mangataka ny mba ho izy ireo no higoka ny tombontsoa amin’ny tany iainan’izy ireo fa tsy olona ivelany. Tsy manaraka ny lalana intsony ireo VOI, hoy ny fanazavan’ny fokonolona ,fa lasa ny fianakaviana sy ny havany no mahazo tombontsoa ,ka tokony hosoloina. Nanambara ny tompon’andraikitry ny rano sy ny ala aty Alaotra Mangoro fa misy ny faritra arovana ao anaty zetra, ary ny fokonolona ihany no nametraka ireo VOI hiara-kiasa amin’ny fanjakana, ka raha tsy misy ny fahatokiana azy ireo intsony dia tokony hanao taratasy izy ireo amin’ny ambaratonga rehetra ahafahana manara-maso sy mandray andraikitra mba hahafahana miaro ireo faritra arovana ao amin’ny farihin’Alaotra . Nilamina sy nanaiky ihany ireo fokonolona rehefa nazava ny fifampiresahana ka hanao taratasy izy ireo ary miangavy ny hanaraha-maso izany, ary nisaotra ny loholon’i Madagasikara, Atoa Rabenony Andrianirina. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo teo amoron’ny ranon’Alaotra moa ny fivoriana ary nisy ny vono omby iray ho mariky ny fihavanana.
Janus R