Tanora maromaro izy ireo no niaraka, nian-dahy niam-bavy. Ela alina ny andro, manodidina ny tamin’ny folo ora, ary mbola tsy nisaraka hatrany ireo tanora. Nisy ny fifamaliana teo amin’izy ireo ary niditra an-tsehatra ihany koa ny tovovavy tao anatin’ilay vondrona kely. Tsy vitan’ny vava anefa ny nitranga fa tonga hatramin’ny tsindrona antsy. Hafakely ny zava-nitranga ary tsy mbola fantatra mazava izay tena nitarika ny adiady. Ny fantatra kosa dia ny fisian’ny tovovavy izay nanindrona antsy ilay lehilahy. Niboraka hatramin’ny tsinain’io farany raha araka ny fanamarinam-baovao natao. Nentina tetsy amin’ny hopitaly Hjra ary nodidiana ny alin’iny ihany. Omaly izy dia mbola tsy nahatsiaro tena raha araka ny loharanom-baovao teo anivon’ny toeram-pitsaboana. Nisy hamamoana ve sa kosa nisy tsy fahazakana zava-mahadomelina? Fanontaniana iray mipetraka voalohany ary hovahan’ny mpitandro ny filaminana izany. Fa ny tena mahatalanjona dia ny fomba nanan’ilay tovovavy antsy ary tsy vitan’izany koa fa tena hainy ny nampiasa azy, nampiasa azy amin’ny ratsy izany. Nijijinika ny rà tetsy Tsimbazaza, tsy mifanalavitra loatra amin’ny biraon’ny “assemblée nationale” ary nisy trobaka hatramin’ny taovan’ilay niharan’izany. Efa very rà betsaka izy nandritra ny fitaterana azy saingy tsy maintsy natao ny rehetra mba hamerenana ny ainy. Mbola miady amin’ny fahafatesana ity tanora ity noho ny adiady teo amin’ny samy mpinamana izay tsy mbola fantatra izay mety ho antony. Mizotra mankany amin’ny herisetra ve ny tanora ankehitriny? Ankoatra ireo izay mirona any amin’ny asa fanendahana sy asan-jiolahy mantsy, toa ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy marobe eto an-drenivohitra, toa mitady ho lasa kolontsaina koa ny fandalàna ny herisetra.
D.R