- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAnkavandra : Saika nifandona ny tanàna roa noho ny Dina

Ankavandra : Saika nifandona ny tanàna roa noho ny Dina

Nipoakapoaka ny basy ary trano iray no may ny alin’ny Alatsinainy hifoha ny Talata teo tao Ankavandra. Nitranga izany noho ny hatezeran’ireo olona 250 mpanara-dia omby very avy any amin’ny tanàna iray, antsoina hoe Ambalamary , fokontany Betsipolotra. Very tao Ankavandra ny dian’ny omby narahan’izy ireo ka araka ny Dina izay ifampifehezana any an-toerana dia tazonina ho tompon’antoka amin’ilay halatra ny mponina ao amin’izay tanàna nahavery ny dian’omby. Tsy nety nivoaka ny trano avokoa anefa ny olona tao amin’ilay tanàna iray tao amin’ity toerana ka nampiakam-pofona ireo mpanara-dia. Nisavoritaka eran’ny tanàna izy ireo no sady nanapoaka basy. Nandritra izany no nisy ihany koa trano nirehitra izay voalaza aloha hatreto, fa mbola tsy fantatra marina izay antony marina raha araka ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Zandarimariam-pirenena. Ireto farany izay efa nandray an-tanana ny raharaha ka nanokatra famontorana rehefa nisy ny fandaminana nataon’ny manam-pahefana any an-toerana izay notarihan’ny lehiben’ny Distrika.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici