Tsy nahazaka ny ady niseho tamin’izy mivady izay niteraka ny fialan’ny vadiny taminy ity ramatoa iray izay samy mponina ao amin’ny kaominin’i Mahambo faritra Analanjirofo, hany ka ny zanaka izy ireo efatra taona no nataony hofana novonoina tamin’ny fanafodim-pody, ho famaizana ny vadiny nisaraka taminy ny taona lasa iny. Raha ny fanazavany teo hanatrehan’ny fitsarana ady heloka be vava Toamasina omaly dia tsy niniany natao ny famonoana an-janany izao, fa taorian’ny ady nifanaovn’izy mivady ka nialan-drangahy tao an-trano dia narary ny zanaka izy ireo vao efatra taona ity. Koa raha nividy fanafody tamin’ny toby fividianana izany ny tenany dia nahazo fanafodim-pody indray. Ho an’ny filohan’ny fitsarana ady heloka be vava sy ireo mpitsara mpanampy efatra nanampy azy nitsara ny raharaha anefa nahita fa ninian’ity renim-pianakaviany ity ny namono nahafaty ny zanany, noho valifatiny tamin’ny vadiny niala azy. Tsy naharay ny fotoam-pitsarana kosa ny rain’ilay zaza izay mpitory sy ny vavolombelona mpiray tanana tamin’izy ireo nahita ny zava-nitranga, ka tsy tonga tamin’ity raharaham-pitsarana ity. Raha namoaka ny didim-pitsarana ny filohan’ny fitsarana ady heloka be vava omaly dia nandray didy folo taona asa an-terivozona an-tranomaizina miampy dimy taona tsy mandia faritany ihany koa, noho ity renim-pianakaviana ity tsy nisy nenina akory tamin’ny famonoana ny zanany nataony…
Malala Didier