Isan’ny niteraka resa-be teto amintsika ilay tranga na lozam-pifamoivoizana tao Moramanga ny volana febroary ny taona lasa tokony tamin’ny 11ora sy sasany. Vadina karàna sy ny sakaizany, ary olona iray havan’ilay karàna, izay nitondra ny fiara “Ford ” no nahatonga ny loza. Omaly no niakatra fitsarana ady heloka be vava teto Toamasina ny raharaha, izay nivoaka tamin’ny fifandaharana avokoa ny tsiambaratelo tao anatin’ny zavatra tena nitranga sy ny anton’ny loza niseho. Resaka “von’olona tsy niniana natao sy fandratrana olona tsy niniana natao ary ny fitsoahana taorian’ny loza niseho” no nohazonin’ny fitsarana, raha nolavin’izy ireo kosa ny vesatra ara-keloka mahakasina ilay von’olona mivantana. Nazava tao anatin’ny fifandaharana teo anivon’ny fitsarana fa tsy tompon’ny tenany ity vadina karàna ity nandritra ny loza noho ny “zava-mahadomelina”; izay no nahatonga azy nandona ilay polisy nanao ny asany tao Moramanga. Noho ny fifandroritana teo amin’ilay ramatoa sy ny sakaizany ny familiana noho ity loza voalohany ity kosa, no niteraka ny fandoman’ny fiara ireo mpandeha tamin’ny arabe izay nahitana olona dimy ka zaza telo taona sy zaza dimy volana am-bohoka ny roa tamin’izany. Tao anatin’ny ora roa nandinihan’ny filohan’ny fitsarana ady heloka be vava ny raharaha, dia nivoaka ny didy fa roa taona am-ponja ingahy mpamily 27 taona, izay miampy onitra mitetina 100 tapitrisa ariary ho an’ireo niharam-boina sy ny fianakaviany
Malala Didier





