Ho betsaka indray ny tsy an’asa ato ho ato, ary hirongatra indray ny tsy fandriampahalemana. Izany ho ahiahian’ireo mponina mpitrandraka kraoma ao Ranomena, kaominina Ambodirina, distrika Toamasina faharoa. Araka ny filazan’ny solontenan’izy ireo mantsy dia mandeha ny feo ary efa misy siosion-dresaka ny amin’ny hanakatonana ity toeram-pitrandrahana ity, izay noho ny antony tsy fantatra hatreto. Tsy mbola nisy anefa aloha fanambarana ofisialy ny amin’izany. Na izany aza anefa, mba tsy hiononana fotsiny amin’ny tsaho sy ahiahy, dia manao antso avo amin’ny fanjakana ireo mponina mpitrandraka ireto, mba hanisy fanazavàna. Ary etsy andanin’izay dia mangataka mafy mba tsy ho tonga amin’izany fanakatonana ny kariera izay.
Nangonin’i m.L