Efa nanaiky izay baikon’ireo olon-dratsy ilay rangahy : nomena ny vola rehetra (50.000 ar) tany am-paosy, nomena ihany koa ny finday. Tsy nanohitra mihitsy izy na ny kely aza tao anatin’izany. Saingy mbola voafira tamin’ny sabatra ihany ny tendany. Ny asabotsy teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva, no niseho ny fanendahana tetsy Andavamamba, eo amin’ny làlana vita amin’ny pavé, manoloana ny EPP. Mbola mifanaretsaka ny olona tamin’io fotoana io.Teo imason’ny vadiny no niseho izany herisetra izany. Avy namonjy hasoavana izy mivady ary handeha haka ny zanany izay napetraka tamin’ny olona teo amin’iny kartie iny no izao niharan’ny fanendahana niaro vono olona izao. Soa fa mba nahay niala kely rangahy ary niantefa tany amin’ny hoza-tendany izany. Nijininika ny rà ary teo noho eo ihany dia nentina tamin’ny taxi teny amin’ny Hjra ny naratra. Niniana nofofoina mihitsy ny ainy raha dinihina ny zava-nitranga. Ny antony, dia in-telo ireo tsatoka antsy sy sabatra tamin’ny tenany. Ny iray teny amin’ny tarehiny ary ny roa teo amin’ny manodidina ny tendany. Mba avotra soa aman-tsara ihany ilay rangahy taorian’ny adim-pamantaranandro roa nitsaboana azy. Feno zaitra ny tendany sy ny lohany ary ny tarehiny. Na tsy namoy aina aza ilay rangahy, tao anatin’ny segondra vitsy monja dia maloka ny fiaian’izy mianakavy kely, noho ny hetraketraky ny jiolahy.
D.R