- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Hotsaraina anio i Clovis

Toamasina : Hotsaraina anio i Clovis

Nampisy resa-be sy isan’ny raharaha narahan’olona maro ny sakoroka tao Maroantsetra; izay nahamay ny biraon’ny distrika tany an-toerana sy nahasimbana zavatra maro tao amin’ny fitsarana ihany koa. Nisy mihitsy ny fandefasan’ny fanjakana “komando” avy ao Antananarivo sy mpitandro ny filaminana mitambatra avy eto Toamasina, nisambotra ireo heverina ho atidoha.

Isany nifampitadiavana tamin’izany ilay mpandraharaha iray izay heverina fa tena atidoha tamin’izao olana tao Maroantsetra izao, izay narahan-dia hatrany amin’ny faritra SAVA mihitsy. Teo koa anefa ny fisamborana andian’olona notondroina ho mpitarika ny sakoroka sy nandoro ny biraon’ny distrika ary nanimba zavatra maro, tao amin’ny fitsarana Maroantsetra, ka isan’izany ity mpiaro ny tontolo iainana izay manelingelina ireo mpibizina tontolo iainana any Maroantsetra, ingahy Clovis R., izany. Am-polony izy ireo no niara-voasambotra tamin’izany; izay nentina fiaramanidina manokana mihitsy tamin’izay. Ity mpandraharaha mpanohana sy mpanampy ny fitondrana mihitsy no namoaka ny vola niantoka ny fitaterana azy ireo teto Toamasina sy niantoka ireo mpitandro ny filaminana ary ireo “komando” nalefa tany an-toerana tamin’izao raharaha izao. Anio no hotsaraina eo anivon’ny fitsarana ady heloka be vava eto Toamasina ny raharaha, ka mandritra izao fitsarana ny raharaha izao no hahitana ny marina rehetra. Fokonolona maro avy any Maroantetra ihany koa no efa tonga eto Toamasina hiatrika ny fitsarana sy hanohana ny havany nosamborina; eo koa ireo fiarahamonim-pirenena hanara-maso ny fandehan’ny raharaha sy hanohana ny namany nosamborina, noho izy manelingelina ireo mpibizina amin’ny asa ataony.

Ho hita anio ny marina rehetra sy izay didy hivoaka, satria raha ny zava-misy, dia olona efatra sisa izy ireo no tsy nahazo famotsorana vonjimaika tamin’ity raharaha ity, raha nahazo izany ny enina hafa raha nanaiky nifona sy nifanaraka tamin’ilay mpandraharaha niavian’ny olana ny fianakaviany, izay inoana fa tsy isany hiatrika izao fitsarana ady heloka be vava izao anio…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici