Nanaitra ny sain’ny ankamaroan’ny mponina ao amin’ny kaominina Masindray, ny nandre fa nahazo fahafahana vonjimaika ilay lehilahy iray izay tratra nangalatra omby rehefa natolotra ny fampanoavana, ny zoma lasa teo. Omby nifatotra teo an-tokotany no nalain’ny voampanga ny andron’ny 19 jolay lasa teo, tao Ambohidava. Rehefa nanao fanadihadiana ny zandary, dia fantatra fa ity lehilahy ity no naka ilay omby satria nisy vavolombelona nanamarina izany. Niaiky tokoa ity voampanga nandritra ny famotorana azy ka nilazany fa namidiny tany Anjeva ilay omby ka nanefany trosan’olona ny vola. Hita tany Anjeva tokoa ilay omby sy ilay mpividy halatra. Ny Talata izao moa no hiakatra fitsarana ny raharaha.
T.M.