- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Voadaroka ny mpamily, very ny fiara Sprinter

Ambohidratrimo : Voadaroka ny mpamily, very ny fiara Sprinter

Fiara Sprinter iray no mbola karohina rehefa norobaina jiolahy  mitam-piadiana  telo, ny 18 jolay lasa teo. Araka ny loharanom-baovao, dia olona eny Ambohidratrimo no tompon’ity fiara ity. Nisy niantso an-telefaonina nilaza fa hanofa io fiara io ny mpamily.  Rahefa natao ny fifanarahana, dia raikitra fa eny amin’ny tobin-tsolika Total eny an-toerana ny fotoana. Rehefa tafahaona ny roa tonta, dia niroso ny dia saingy raha vao hiainga dia nambanan’ireto telo lahy ny tamin’ny fitaovam-piadiana  avy hatrany ity mpamily ary noteren’izy ireo hanaraka izay baikony amin’izay làlana tian’izy ireo haleha. Nizotra nihazo ny lalam-pirenena faha-7 ary ny dia. Najanon’izy ireo ilay fiara rehefa nahazo mangingina. Nodarohana tsy nanany antra ilay mpamily ka rehefa hitan’ireo jiolahy fa tsy nahatsiaro tena, dia nentin’izy ireo nitsoaka  ny fiara. Avotra ihany anefa ny ain’ity farany ka afaka nampandre ny mpitandro filaminana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici