- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Fanafihana mitam-piadiana, voasambotra Ra-l’homme

Ambohidratrimo : Fanafihana mitam-piadiana, voasambotra Ra-l’homme

Lehilahy iray fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Ra-l’homme, na Rahery, no voasambotry ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, nampian’ireo pôlisy voaofana manokana hisetra ny asan-jiolahy mahery vaika eo anivon’ny pôlisim-pirenena: ny Uir, Sag ary ny Usi, ny herinandro lasa teo teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny. Araka ny fanazavana azo dia ity lehilahy ity no voalaza fa tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana nitranga ny alin’ny 30 hifoha 31 mey lasa teo teny amin’ny fokontany Antanetibe Mahazaza. Tamin’ny alalan’ny angom-baovao no nahafahana nisambotra ity jiolahy raindahiny ity, araka ny fanazavana azo, ary izany dia tafiditra ao anatin’ny Hetsika fampitsaharana ny halatra mitam-piadiana eto an-drenivohitra sy ny manodidina, izay ataon’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Fantatra moa fa natolotra teny anivon’ny zandary, izay miandraikitra ny faritra sy misahana ny fanadihadiana ity jiolahy raindahiny ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici