Raharaham-pitsarana narahan’ny maro maso akaiky, ilay tranga mahakasika sakoroka tany Maroantsetra, ny volana septambra ny taon-dasa. “Fikomiana amin’ny fanjakana, fanimbana ny biraon’ny distrika sy ny fitsarana, fandorana taratasim-panjakana”, ireo ny heloka nanenjehana ireto olona 8 nosamborina tamin’izao raharaha izao, ka isan’izany Razafimalala Clovis, izay narahan’ny fiarahamonim-pirenena mpiaro ny tontolo iainana sy ny zon’olombelona akaiky.
Telo hatramin’ny dimy taona. Naharitra adin’ny roa sy sasany ny fifandaharana teo anivon’ny fitsarana ady heloka be vava Toamasina nandritra ny foam-pitsarana. Tao anatin’izay dia samy namoaka ny fiarovan-tenany avokoa ny rehetra; nefa ho an’ny mpiaro ireto olona nosamborina tany Maroantsetra ireto dia “fitsarana politika” ny zava-misy, satria natao maimaika ny fanakatonana ny antontan-taratasin’ady raha voasambotra ireo olon’ny TIM nokendrena sy ireo ankahalaina tiana hofaizina nefa raharaha sarotra no hotsaraina. Raha namoaka ny didim-pitsarany anefa ny filohan’ny fitsarana ady heloka be vava sy ireo mpitsara mpanampy efatra niaraka taminy, dia nafahana noho ny fisalasalana ingahy André 75 taona sy R. Clovis, saingy nahazo sazy miantoka 05 taona kosa ity farany noho resaka “fikomiana”, samy mandoa onitra iray hetsy ariary amin’ny fanjakana kosa izy mianaka. Voasazy asa an-terivozona sy 5 taona tsy mandia faritany kosa ingahy isany Mandimby sy Nicoles ary Constant, izay samy mbola miampy onitra dimy tapitrisa isany avy ihany koa. Asa an-terivozona 5 taona sy 5 taona tsy mandia faritany kosa no azon’i Ernest sy Rodrigue ary Martial, mbola niampy onitra dimy tapitrisa ariary sy didy fampisamborana izy ireo noho ny tsy fahitana azy nandritra ny fitsarana azy ireo omaly.
Gadra nitsoaka. Tsy afa-po tamin’izao didy nivoaka izao ny fianakavian’ireo voarohirohy sy ireo fiarahamonim-pirenena, saingy nambaran’ireto vahoaka maro nameno ny efitranom-pitsarana omaly dia “atody miady amim-bato izahay amin’izao raharaha izao, ka nekena na marary anay aza ny manjo ny havanay”. Ny nanaitra ihany koa tao anatin’ny fitsarana ady heloka omaly ity dia tao anatin’ny fotoam-pitsarana vao nanatitra ny taratasy milaza ny fandosiran’ingahy Martial tao am-ponja ny fandraharaha ny fonja; ingahy Rodrigue kosa na nandefasan’ny fanjakana “komando” sy mpitandro filaminana maro be nikaroka azy dia tsy hita hatramin’izao ny toerana misy azy eto amintsika. Ankilan’izay dia natao tsy fantatra nandritra ny fifandaharana teo anivon’ny fitsarana sy tao anaty antontan-taratasin’ady ilay tovolahy iray maty voatifitry ny zandary, nandritra ity raharaha ity; sy ilay ady misy eo amin’ireto mpandraharaha lavanilina roa niteraka ny olana, ary ny fahalemen’ny fanjakana any ifotony nisoroka ity sakoroka lasa “fikomiana” tao Maroantsetra ity.
Nandritra ny fotoam-pitsarana dia tazana nanaraka akaiky ny raharaha ny fiarahamonim-pirenena eo anivon’ny vovonan’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny solontenan’ny AVG, ny komity misahana ny fiarovana ny zon’olombelona eto amintsika, ary ireo iraka manokana nalefan’ireo vondrona iraisam-pirenena eto amintsika. Nilaza ny hampiakatra fitsarana ambony izy ireo, indrindra ny AVG; izay isan’ny niantoka mpisolovava ho an’I Clovis.
Malala Didier