- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFamitahana amin’ny Facebook : Olona iray karohina, voafitaka ny mpanao asa soa

Famitahana amin’ny Facebook : Olona iray karohina, voafitaka ny mpanao asa soa

Voafitaka avokoa na ny olon-tsotra mba vonona ny hanome tànana, ny mpanao asa soa ary hatramin’ny mpanao gazety   aza dia nentin-kafanam-po ny mba hanoratra sy nanentana ny olona handray anjara amin’ilay tetikasa kely entina hitadiavam-bola ho an’ny  ankizy misendra ny  autisme. Kinanjo ny  tao ambadik’izay rehetraizay dia fisolokiana  avolenta tsotr’izao. Ny niatombohany dia ny fisian’ny fikambana nampianatra eo amin’ny fampianarana ambony vahiny. Niainga tamin’ny tambanjotran-tserasera avokoa ny fampahafantarana ny  hetsika izay kasain’izy ireo. Tao anatin’izay no nisy an’i E.R izay voalaza fa handrindra ny tetikasa. Izany dia mahakasika ny varotra fitadiavam-bola homena ny ankizy tratran’ny autisme. Efa nomena ny daty ary efa fantatra ny toerana. Tonga ny olona tao amin’ny hotely lehibe iray etsy Antaninarenina mba hividy izay azo   vidiana, ho mariky  ny fanomezan-tànana ireo zaza. Kinanjo tsy tao ny mpandrindra fa nilaza ho marary mafy. Teo dia efa ha  hafahafa  ny fandehan-javatra saingy tsy mbola nisy nieritreri-dratsy loatra ny olona satria asa soa no hatao. Voatery ny mpikambana iray teo anivon’ny ray aman-drenin’ny zaza autiste  izay niara-nientana nanampy tamin’ny  fikarakarana no nandoa ny lany, isan’izany ny hofan’ny hotely. Na entana iray aza tsy nisy  tao amin’ilay hotely kanefa ny olona maro no saika handray anjara.Tsynety hita  mihitsy i E.R ary izany no nisintona ny mpikambana nanao fikarohana lalindalina            kokoa. Hita  tamin’ny Internet ary fa sarin’olona  hafa izay tany ivelany   tany no nampiasany. Nazavateo ny baolina fa mpisoloky i E.R. Tsy vitan’izay ihany fa sady mpanao « piratage » henjana ihany koa ny tenany. Olona tsy fantany akory dia vitany ny mamoaka amin’ny tamba-jotran-tserasera  fa olon-tiany. Artista iray  malaza no voany tamin’izany ary nisara-bady mihitsy. Karohina ity mpisoloky sy mpanimba fiainan’olona ity ankehitriny taorian’ny fametraham-pitoriana nataon’ny olona maromaro.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici