Mpitsabo iray tao an-drenivohitr’i Toliara tao no maty nisy nitifitra ny harivan’ny alatsinainy lasa teo, teny Tsianaloka. Araka ny fantatra, dia an-dàlana hody izy tamin’io fotoana io no sendra ny jiolahy. Notifirin’ireto farany avy hatrany ity farany ary maty tsy tra-drano. Vao lavo ity farany dia lasa nitsoaka ireto olon-dratsy ireto. Tsy nisy zavatra lasan’ireo mpamono afa-tsy ny findain’ity mpitsabo ity raha ny fampitam-baovao azo avy an-toerana. Hatreto dia tsy fantatra mazava na famonoana olona tsotr’izao ity nitranga tao an-tampon-tanan’i Toliara ity na fanendahana niafara tamin’ny vono olona. Raha ny fandinihana ny zava-nisy, hoy ny fanazavàna nomen’ny tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana dia mety ho zavatra efa nosaintsainina sy nomanina ity famonoana mpitsabo ity. Hita mihitsy mantsy, hoy hatrany izy fa nampiasana fitaovana ilay vono olona fa tsy vitan’ny hoe kisendrasendra, ary efa nomanina ny ora sy ny fotoana. Raha ny fampitam-baovao tokoa mantsy dia efa nisy môtô niandry ireo mpitifitra tsy lavitra teo, ary nitondra ireto farany nitsoaka. Tsy hipetra-mora amin’izao famonoana ny havanay izao izahay hoy ny fianakaviana fa tsy maintsy hanara-maso akaiky ny fanadihadiana. Efa nandray an-tanana ity raharaha vono olona ity avy hatrany ihany koa ireo mpitandro filaminana any an-toerana. Marihana, fa ambonin’ny maha-pitsabo azy dia fantatra fa sady mpampianatra any an-toerana ity namoy ny ainy no efa olom-boafidy ihany koa.
m.L