Ireo hamonjy toeram-piasàna vao maraina ka mandeha an-tongotra no tena lasibatra. Ireo mpivarotra mofo dipaina, ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba, ireo mpanao asa tànana izay mandeha bisikileta. Asesin’ireo olon-dratsy izy ireo. Izay tsy manam-bola na tsy misy omena dia sady darohina no ompaina ary esoina amin’ny fahantrany. Roa andro nifanesy izay no nisian’ity tranga ity ary mitovy hatrany ny lera « fiasàna » ho an’ireo olon-dratsy. Manodidina ny amin’ny dimy ora sy sasany maraina eo izany. Misy fandaminana amin’ilay fanendana, satria atao milahatra tsara izy ireo ary mandeha tsirairay. Izay manana bisikileta indray dia avy hatrany dia efa misy amin’ireo jiolahy ny mitondra izany fitaovana izany any anaty elakelan-trano any. Omaly indray, tsy dia mifanalavitra an’iny boriborintany iny, dia nisy mpanendaka enin-dahy niditra tao anaty taxi-be nandalo teo Betongolo. Lasa avokoa na ny volan’ny mpamily aza, ary toy ireny nitaty rakitra ireny ireo jiolahy, nampiasa ny satrony mba hitatazana ny volan’ny olona sy ny finday. Tokony ho tamin’ny folo ora maraina izany omaly.
D.R