Nandriaka indray ny rà teny amin’iny faritra Soavimasoandro iny ny talata hariva lasa teo. Olona iray no namoy ny ainy, iray hafa naratra mafy. Izay no vokatry ny fianjeran’ireto tovovavy sy tovolahy niara-nitaingina môtô teny amin’iny faritra iny. Araka ny fanazavàna nomen’ny mpitandro filaminana dia nandeha mafy izy ireto, ary nianjera nony avy eo. Ilay tovovavy, izay manodidina ny 20 taona teo ho eo, no nitondra ity môtô scooter. Izy izay namoy ny avy hatrany noho ny hamafin’ny fianjerana. Ilay tovolahy niaraka taminy kosa, izay fantatra araka ny fanazavana nomen’ny mpitandro filaminana ihany fa sakaizany, dia naratra mafy. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay anton’ny fianjerana ka nahatonga izao famoizana aina izao. Mamo ve izy ireo sa nisy olana tamin’ilay môtô. Araka ny filazan’ireo mponina nanatri-maso teny an-toerana dia toa hoe sady nandeha mafy izy ireo no mbola tsy nisy jiro ity kodiaran-droa nentin’izy ireo ity. Heverina araka izany fa mety ho tojo sakana izy ireo ka nampianjera azy ireo. Porofon’izany ihany koa ny nahapotika tanteraka ilay scooter nentin’izy ireo. Efa nahazo fitsaboana moa ilay tovolahy ary efa nentin’ireo mpitandro filaminana atao fanadihadiana marina mahakasika ny zava-niseho. Ny vatana mangatsiakan’ilay tovovavy kosa dia efa nomena ny fianakaviana taorian’ny fitiliana natao azy.
m.L