- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAndraisoro : Jiolahy dimy nanafika magazay, mpandalo iray maty voatifitra

Andraisoro : Jiolahy dimy nanafika magazay, mpandalo iray maty voatifitra

Nipoapoaka ny basy teny Andraisoro ny Talata hariva teo. Nitranga izany noho ny nafitsok’ireo jiolahy miisa 05 nanafika toeram-pivarotana iray teny an-toerana tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany hariva tany ho any, araka ny fanazavana azo avy amin’ny polisim-pirenena. Vokany olona iray no maty ary roa hafa no voalaza fa naratra, niantefan’ny balan’ireo jiolahy. Araka ny fampitam-baovao, tsy nisalasala ireo jiolahy nanapoaka basy sy nitifitra izay heveriny ho mety hanelingelina azy amin’ny asa ratsiny. Tao anatin’izany indrindra no nahafaty ity lehilahy iray izay voalaza fa mpivarotra voanjo eny amin’ny manodidina io toerana io. Nihazakazaka io lehilahy io no tazan’ireto jiolahy izay nihevitra fa olona hanenjika azy ka dia notifiriny tsy nanany hantra. Tsy nisy naninona kosa anefa ny tompon’ny trano  voatafika satria voatery nandositra ireo jiolahy raha nandre ny fiavian’ny mpitandro filaminana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici