- Publicité -
dimanche, novembre 23, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFanafihan-dahalo mahery vaika tao Beroroha : Olona tsy manan-tsiny 7 namoy ny...

Fanafihan-dahalo mahery vaika tao Beroroha : Olona tsy manan-tsiny 7 namoy ny ainy, omby 650 isa mahery lasan’ ny malaso

Niseho lany indray tato ho ato ny trangana fanafihan-dahalo nahery vaika arahina famonoana olona tsy mana-tsiny any amin’ny Distrikan’i Beroroha, Faritra Atsimo Andrefana. Raha ny fantatra araka ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, dia olona fito be izao no indray maty lavon’ny balan’ny dahalo tao anatin’ny 48 ora monja, tany amin’ny Kaominina Mandronarivo. Nandritra ny fanafihan-dahalo nitranga tao Beroy, ny marainan’ny asabotsy teo, izay nataona malaso 200 lahy, nitondra basy mahery vaika toy ny “Kalach” “Mas 36” ny sasany tamin’ ireo mpanani-bohitra, dia Jamà (andrimasom-pokonolona) mpiambina tanàna sivily telo lahy, niampy mpiandry omby iray no maty rotiky ny balan’ny dahalo. Omby 500 isa kosa najavona teo an-tanàna lasan’ny malaso. Talohan’ity fanafihana tao Beroy ity, araka ny tati-baovao azo hatrany, dia efa nanafika tao amin’ny Fokontany Matalazo, ireto andian-dahalo mitam-piadiana ireto, ny 20 jolay teo. Ankoatra ny omby an-jatony (manodidina ny 150 eo) lasan’ireo malaso sy vehivavy iray nataon’izy ireo takalonaina, dia olona telo teo an-tanàna nanara-dia no maty novonoin’ ireo dahalo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici