Miverina marisarisa indray ny lafiny tsy fandriampahalemana any amin’ny Distrikan’i Manakara, renivohitry ny Faritra Vatovavy Fitovinany. Afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny fito ora, raim-pianakaviana iray mpampianatra handeha hamonjy fodiana avy niasa no notafihan’olona tsy lavitry ny seranam-piaramanidina ao Mahatsaradany. Vokatry ny daroka sy vono niniana natao nihatra tamin’ity mpanabe 41 taona ity, dia naratra mafy nihosin-drà ny tenany, ary tsy fantatry ny havany intsony ny endriny izay potika tanteraka. Mbola miady mafy amin’ny fahafatesana amin’izao manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Manakara ity mpampianatra voatafika ity. Fa ny alin’ny alahady alina hifoha ny alatsinainy teo, mbola tao Manakara tampon-tanàna hatrany, saingy tao amin’ny Fokontany Mangarivotra Andrefana kosa, dimy lahy nisaron-tava voalaza fa nitam-basy ny roa no nanafika mpiandry fonja tao an-tranony. Voafiran’ny zava-maranitra (miendrika sabatra) teo amin’ ny lohany ity mpiandry fonja ity, ka naratra mafy ary naiditra hopitaly. Lasan’ireo olon-dratsy avokoa ny vola sy ny entana sarobidy tao an-trano, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa