Na dia eo aza ny fanentanana ataon’ireo mpitandro filaminana mahakasika ity resaka fitsaram-bahoaka ity dia mbola tsy tena lefy tanteraka izany. Ny voalohandohan’ny herinandro teo dia jiolahy roa avy nanafika no nifanehatra tamin’ny fokonolona. Tsy nanan’ireo farany antra izy ireo ka niafara hatramin’ny famoizan’ny ainy. Tany Ambatomasina, kaominina Antsahavoribe, distrikan’i Sambava ny voalohanay. Araka ny fampitam-baovao azo dia olona roa nisaron-tava, nitondra basy poleta no nanafika tokatrano iray. Tsy nahazo n’inona n’inona izy ireo fa nalaky niantso vonjy ny tompon-trano. Niara-nientana avy hatrany ireo mponina teo amin’ny manodidina namonjy ity voatafika. Tamin’izay no nifanena tamin’ireto olon-dratsy. Voasambotr’izy ireo ny iray raha tafaporitsaka ny namany. Tsy nanao inona teo ambany fahatezeran’ireo fokonolona ity olon-dratsy voasambotra. Niainga ny daroka sy ny vono ary tsy namelan’ireo nahatratra raha tsy niafara tamin’ny fahatesany izany. Efa nampandrenesina mo ireo zandary tany an-toerana ary efa am-panaovana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay iray nitsoaka. Fa tany Antsohihy ihany koa, dahalo avy nanafika tao amin’ny tananan’i Marosampanana no nifanenjehan’ireo mpanara-dia izay nahitàna zandary sy fokonolona. Tratra ny iray tamin’izy ireo ary dia tsy namelan’ireto fokonolona raha tsy nanaraka hatramin’ny ainy. Efa tafaverina kosa ny omby nangalarin’izy ireo. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo naman’ireo dahalo tafatsoaka.
m.L