Accueil À lire Chef Marius : Naratran’ny mpanendaka telo lahy

Chef Marius : Naratran’ny mpanendaka telo lahy

0
Chef Marius : Naratran’ny mpanendaka telo lahy
Toy izao ny ratra nahazo azy…
Toy izao ny ratra nahazo azy…
Toy izao ny ratra nahazo azy…

Vaky ny lohany ary naratra ihany koa teo ambanin’ny masony. Novelesin’ny mpanendaka tamin’ny vy i Marius Rafiakarana.

Vaky ny lohany ary nisy naratra ihany koa teo ambanin’ny tetamasony. Izany dia vokatry ny herisetra nianjady taminy nandritra ny asan-jiolahy nitranga tetsy Antaninareina ny alin’ny alatsinainy teo. “Avy namonjy fety izaho sy ny namako. Efa-dahy izahay no handeha hihazo an’Analakely. Tsy lavitra akory ny banky BOA, raha saika hamonjy tohatoha-bato, dia nisy lehilahy miisa telo avy hatrany dia nandrahona anay tamin’ny fitaovam-piadiana. Lasan’ireo ny finday tety aminay”, hoy ny fanazavan’ny Maître Marius Rafiakarana, mpikarakara sakafo fanta-daza eto an-drenivohitra. Nanohitra io farany ka teo no nisy fifanandrinana izay niteraka ratra. Voavelin’ny vy teo amin’ny lohany. Nijininika ny rà ary voatery nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana izy, dia nozairina. “Tena asan-jiolahy no nitranga fa tsy sanatria akory fifofoana ny aiko. Na izany aza dia efa tokony hahatonga saina raha ny tsy fandriam-pahalemana mitranga eto an-drenivohitra”, hoy hatrany ny Chef Marius Rafiakarana, manazava ny heviny. Mitombina tokoa ny fijeriny satria raha oharina tamin’ity tranga ity dia tsy mifidy toerana sy isan’ny olona intsony ny olon-dratsy rehefa manao ny asany. Manazava an’izany ny zava-nisy  tetsy Antaninarenina : efa-dahy sahin’ny olona vitsy noho izy ireo tafihana, indrindra koa efa-dahy  maronjana ihany. Matetika loatra ny fanendahana mitranga eto an-drenivohitra ary raha ny zava-misy aza dia tsy misy tsy faritra mena intsony eto Antananarivo. Asa, hatraiza ary iza amin’ireo kandidà ho filoham-pirenena sy ho depiote no mba manana drafitr’asa maty paika mahakasika ny ady amin’izany…

D.R