- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra jiro sy rano Toamasina : Raikitra ny “opération”, olona fito tratran’ireo...

Halatra jiro sy rano Toamasina : Raikitra ny “opération”, olona fito tratran’ireo mpisava am-bodiomby

Tsy niandry ela fa taorian’ny fianianan’ireo mpiasan’ny Jirama teo anivon’ny fitsarana izay misahana ny fanaraha-maso, sy fisavana trano amin’ny firongatry ny halatra jiro sy rano eto Toamasina, dia efa nanao ny asany ireto mpiasan’ny Jirama manokana ireto. Ankehitriny, dia olona efa  fito no tratran’izy ireo am-bodiomby tamin’izay halatra jiro sy rano izay, ary efa mihatrika ny fakana am-bavany azy avy amin’ny fiaraha-miasan’ny jirama sy ny polisy izy ireo. Isany miteraka olana goavana amin’ny Jirama eo amin’ny fifehezana ny herinaratra, sy miteraka fatiantoka goavana amin’ny orinasa ihany koa, ny fahamaroan’ireo mpangalatra jiro sy rano ireo. Aorian’izao fakana am-bavany azy ireo izao, dia ny fitsarana indray no mandray ny antontan-taratasin’ady mahakasika ny raharaha. Anjaran’izy ireo ny mamoaka ny sazy mifanaraka amin’ny heloky ny tsirairay, araka ilay didy hitsivolana navoakan’ny fitondram-panjakana. Teo aloha mantsy, dia ny Jirama ihany no mamoaka ny sazy amin’ny fandoavana ny lamandy mifanaraka amin’ny faharetan’ny fotoana nanaovana ny halatra izany. Ankoatra izay, dia velon-taraina ny Talem-paritanin’ny Jirama Toamasina, Atoa Veloson Leonard, amin’ny afitsok’ ireo “mamo lava” mpandona andrin-jiro ; izay saika misy tranga hatrany isan-kerinandro, satria isany “fahavalom-pirenena” amin’ny fanimbana ny fananam-bahoaka, izay miteraka fahatapahan-jiro eto Toamasina ny fisian’ireo tranga ireo. Taorian’ilay tranga tao Valpinson roa herinandro teo, dia tranga hafa indray no niseho teny amoron-dranomasina, ny zoma teo ; izay niteraka fahatapahan-jiro tamin’ireo faritra manodidina…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici