- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSakorona teny an-dàlana : Lehilahy iray vaky loha, voatonta vato malao

Sakorona teny an-dàlana : Lehilahy iray vaky loha, voatonta vato malao

Lehilahy iray no voatery naiditra hopitaly, vokatry ny vono nahazo azy. Teo Ampatana no nisehoan’ny sakoroka, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Voalaza fa fahaverezana finday no niatombohan’ny gidragidra ka nitarika tamin’ny ady totohondry mihitsy. Raikitra ny sakoroka teo amoron-dàlana akaikin’ny Zaodahy iny, tsy fantatra intsony hoe iza no nangalatra fa samy nifanjevo tao ny an-daniny sy ny an-kilany. Marihina fa teo akaikin’ireny karaoke ireny no nitranga ity ady ity, ka ilay mpiambina an’io trano fialam-boly io no niditra nanasaraka, saingy tsy vitany ireny ka voatery niantso mpitandro filaminana ny tenany. Ireto farany koa tsy lavitra, fa teo amin’ny manodidina teo ihany ka vetivety dia tonga. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana, saingy lehilahy efa boba rà, vaky loha voatontan’ny vato malao no tazany, ny iray avy namono kosa izay voalaza fa, ilay mpangalatra dia vaky nandositra vao nahita ireto mpitandro filaminana tamy. Nifanenjehana hatrany amin’ny Abattoir ilay io ka voasambotra ihany ary voatazona amin’izao. Ilay naratra kosa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly hatramin’izao.

Andry N. 

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici