Semban-drahona ny lanonana nokarakarain’ny Kaominina, mba hitadiavam-bola hanamboarana ny “Lycée Mixte”. Ny alin’ny alakamisy teo, niafara tamin’ny faty olona mantsy ny alim-pandihizana nataon’ny mpanakanto Bemalaza, tao Amboriala Vohémar. Nisy andian-tanora namonjy an’ity alim-pandihizana ity no niady nifandritaka. Tovolahy iray 25 taona no namoy ny ainy voatsatoka tavoahangin-dabiera, teny amin’ny vozony. Noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia maty teo noho eo ilay tovolahy. Nitsoaka kosa ireo nahavanon-doza tompon’antoka tamin’ny famonoana, ka mbola karohin’ny Zandary fatratra amin’izao, araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha.
Eric Manitrisa