Miainga amin’ny 200.000 ariary ary tonga hatramin’ny 350.000 ariary ny fanadiovana ny voa avy amin’ny alàlan’ny fitaovana (dialyse), eny amin’ny hopitaly. Tsy mijanona ny fisian’ny olona misafidy ny hody ary miandry ny fahafatesana, satria tsy misy ny hoenti-manana. Misy mantsy ny mila manao an’izany intelo isan-kerinandro mba hitazomana ny ainy. Tsy misy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana na avy amin’ny tsy miankina ary rehefa tsy ampy ny vola dia tsy misy vahaolana hafa, ankoatra ny fahafatesana. Izany no iainan’ny olona isan’andro eny amin’ny hopitaly ankehitriny rehefa voan’io aretin’ny voa io. Ny tranga faramparany dia ny fisian’ny lehilahy iray izay nisafidy ny hamonjy ny mariazin-janany ary nangataka ny hivoaka ny hopitaly. Vao vita izany dia nihetsika ny aretiny ary ny ampitson’iny dia namoy ny ainy. Eo ihany ny mariazy fa raha ny tena marina dia nentina nanafenana ny tsy fisian’ny hoenti-manana intsony izany. Efa ela no fantatra ny tsy fahazakan’ny besinimaro ara-bola io fitsaboana io fa hatreto aloha dia tsy misy koa ny vahaolana avy amin’ny fanjakana. Mahatsiaro ho miady irery izay tratrany ary eo vao tena mahita fa tsy misy fifanampiana izany ny ady amin’ny fahafatesana. Any ivelany dia betsaka ny fikambanana izay mitady vahaolana, toy ny fikarohana voa azo asolo, ary koa ny fanampiana amin’ny saran’ny dialyse. Ny eto amintsika variana amin’ny asasoa izay tsy dia mifandraika amin’ny filàn’ny tena miady mafy amin’ny fiainana no betsaka ary hatao fisehosehoana…
D.R