- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnalamahitsy : Andian’olona avy mijery fety, manendaka sy manakan-dalana

Analamahitsy : Andian’olona avy mijery fety, manendaka sy manakan-dalana

Tsy indray mandeha, tsy indroa no ahenoana tranga fanendahana sy fanakanan-dalana ataon’ireo andian’olona vitsivitsy, avy mijery fampisehoana ao Antsonjombe io. Raha ny alahady teo fotsiny, dia andian-jatovo maromaro izy, mihazo an’iny faritra Alarobia sy Ankorondrano iny no manakana ny arabe, tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany teo ho eo. Mpitondra môtô iray no saika azon’izy ireo saingy soa ihany fa afaka tafatsoaka ity farany. Araka ny filazan’ireo mponina eny amin’iny faritra iny dia mazàna manao andiany eo amin’ny folo na 15 lahy izy ireo, izay efa somary mamo ihany koa no manendaka izay olona sendra azy ireo amin’ireo lalana somary maizimaizina. Tsy vitan’ny manendaka anefa fa misy ny sasany mamono mihitsy. « Raha vao hitan’izy ireo fa somary matanjaka sy mahavita hanohitra azy ilay olona dia hanavaon’izy ireo tambambe, ary batainy ankitsirano mihitsy », hoy ny fitantaran’ny mponina. Manendaka, misakan-dalana, manimba zavatr’olona… Raha vao hoe misy fampisehoana ka artista manao gadona mihetsiketsika ny ao Antsonjombe dia efa miferinaina avokoa ireo mponina eny an-toerana sy eny amin’ny faritra manodidina. Raha ny fantatra tokoa dia efa misy ihany ny fepetra raisin’ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny saingy toa efa hain’ireto andian’olona ireto ny miala izany. Any amin’ireo toerana izay fantany fa tsy misy mpitandro filaminana manao fisafoana izy ireo no manatanteraka ny asa ratsiny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici