Taorian’iny vono olona mahatsiravina niseho teto Antsirabe tamin’ny alahady teo iny dia fantatra izao fa olona telo no efa nalaina am-bavany. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisy ora vitsy taorian’ny tranga. Nisy ny fitsidihana ny trano fonenan’ilay vehivavy tamin’io fotoana io ihany ary tamin’izany no nahalalana fa nahenoana fofona zava mahadomelina tao amin’ny efitrano fonenany. Ankoatra izay dia nambaran’ny teo anivon’ny polisy fa nisy taratasy namelan-kafatra hita tao an-tranony, taratasy milaza fa raha sanatria misy zavatra mahazo azy dia tsy miala amina olona maromaro izay notanisany tao amin’io taratasy io izy. Marihiana fa efa tamin’ny taon-dasa no nanoratany io taratasy io. Fantatra ihany koa fa misy anarana efa azon’ny polisy ary efa anaty fanadihadiana amin’izao. Antenaina fa hisy vokany tsy ho ela ny fanadihadiana izay atao, ity tranga ity izay nampivarahontsana sy mampitaintaina ny mponina eto Antsiarabe ary indrindra manaratsy laza ny tanana amin’izao andro fialantsasatry ny mpianatra izao izay maha be ireo mpiavy sy vahiny tonga mitsika an’Antsirabe.
Andry N.