Tsy nisy iray izay tsy nanome izay azo nomena mba hahafahana miaro ny ainy. Izay no nitranga tao anatin’ny taxi-be iray izay nandalo tetsy Isotry ary saika hihazo an’Antanimena. Ny harivan’ny alatsinainy teo,manodidina ny tamin’ny dimy ora sy sasany, no nitranga ilay asan-jiolahy. Tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana no niditra an-tsehatra ireo jiolahy izay miisa enina. Ny iray nanambana basy, ny sasany namoaka antsilava ary ny ambiny kosa namoaka ny zavatra hitatazana ny “rakitra”. Dia tena notatazana tokoa izay rehetra nisy. Ny vola, ny finday, ny firavaka ary hatramin’ny peratra mariazy aza dia nomena rehefa nangatahin’ny olon-dratsy. Fanindroany izay tao anatin’ny roa herinandro no nisian’ity fanendahana anaty bus ity, ny marimarina kokoa aza, fanafihana mitam-piadiana anaty bus. Tamin’ny herinandro lasa teo, nisy tranga mitovy tanteraka tamin’izany tetsy Betongolo, saingy ity indray dia tamin’ny folo ora maraina no nisehoan’ny fanafihana. Tsy nisy resa-be intsony fa vao nivoaka ny basy dia efa fantatry ny olona ny tanjon’ireo olon-dratsy ary dia samy namoaka izay tokony homena. Fiainana feno tebiteby toy izany ankehitriny no lasa andavanandron’ny mponina eto Andrenivohitra. Eny an-dàlana tsy mandrimandry saina, any an-trano matahotra ny hovoatafika ary any anaty fitaterana izay heverina fa betsaka olona, mbola misy sahy mandroba ihany. Etsy andanin’izany, tranga izay mahazo vahana indray ankehitriny ity fanafihana anaty taxi-be ity. Raha izay toerana mangingina no heverina fa fanaovan’ny jiolahy sy mpanendaka ny asany, izao dia ny mifanohitra tanteraka amin’izany no mitranga satria any amin’ny toerana be olona indray no lasibatry ny asaratsiny ary ireo olona marobe mihitsy no kendrena. Mivoatra ny mpanao ratsy.
D.R