Raim-pianakaviana iray no sady mpandraharaha no maty votifitry ny jiolahy teo amin’ny fony. Tao amin’ny kaominina sy Disitrikan’i Marovoay, faritra Boeny no nisehoan’ny fanafihana, ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Araka ny fanazavana voaray avy tany an-toerana, voaroba nandritra ny fanafihana ny vola valo tapitrisa ariary niaraka tamin’ny finday sy tabilety. Araka ny fantatra, valolahy nitondra basy Pa sy Kalachnikov no nanafika io mpandraraha io. Avy hatrany dia nopoirin’izy ireo ny varavaran’ny trano ka dia nanambana basy an’io raim-pianakaviana io no sady nitaky ny vola vao avy nalainy tany amin’ny banky. Nanohitra ity farany, ka teo no nahatonga ireo jiolahy nitifitra azy, ka bala roa no niantefa tany amin’ny fony. Namoy ny ainy vokatr’izany ity farany, nahazo izay nilainy sy ny vola ireo jiolahy mpanafika dia vaky nadositra. Taorian’izay vao nampandre ny mpitandro ny filaminana ny vady aman-janany ary efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity vono olona ity araka ny fampitany vaovao voarainay.
Ratantely