- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy namono tena imasom-bahoaka, notsondroniny antsy maranitra ny tendany

Toliara : Lehilahy namono tena imasom-bahoaka, notsondroniny antsy maranitra ny tendany

Lehilahy mpivarotra hena kisoa iray sahabo ho 30 taona eo, voalaza fa bokan-trosa ananan’olona volabe, no namono tena nanindrona antsy maranitra ny tendany, avy teo noriatany koa ny tratrany ka naratra mafy niboba rà. Mbola saika handoaka antsy teo amin’ ny kibony izy no voasambotry olona teo amin’ny manodidina mpiara-mivarotra aminy ny antsy, ka avotra soa aman-tsara ny ainy. Omaly tolakandro tokony  ho tamin’ny 3 ora, tao Bazary Sakama Toliara no nisehoan’ ity zava-doza famonoan-tena imasom-bahoaka ity. Mba ho fanavotana ny ain’ ity tovolahy vao erotrerony naratra mafy nihoson-drà kivy tanteraka nikasa ny hanapitra ny ainy ho any ambany rangolahy ity, dia nentin’ny olona haingana namonjy hopitaly izy. Na dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy aza ity lehilahy ity, dia mbola hatahorana mafy ny ainy amin’izao noho ny fahaverezan-drà sy ny halalin’ny ratra, hoy ny vaovao.

 Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici