- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Zandary iray lavo, iray hafa naratra mafy

Morondava : Zandary iray lavo, iray hafa naratra mafy

Misesy ny fahafatesan’ny mpitandro ny filaminana miasa any amin’ny faritra be dahalo. Zandary kilasy faharoa antsoina hoe Velolahidoara Kerjean Schnellermann, no namoy ny ainy nandritra ny fanarahan-dia izay niafara tamin’ny fifampitifirana. Zandary miasa ao Bel sur mer io namoy aina amperin’asa io. Nalefa nanampy ny fokonolona avy niharan’ny asan-dahalo izy sy ny namany telo hafa. Rehefa nandeha telopolo kilaometatra niala ilay tanàna nisehoan’ny halatra omby, dia nifanehatra tao anaty kizo ny roa tonta. Naratra mafy tao anatin’ny fifanjevoana ihany koa ny zandary kilasy voalohany antsoina hoe Razafimbolahangy Pierre Herbert, ankoatra ny fokonolona roa izay naratra mafy oty izany koa. Omaly dia fantatra fa namoy ny ainy ny iray tamin’ireo fokonolona naratra. Omaly ihany koa dia efa tonga tao Morondava ny razana rehefa nalaina tany amin’ny tany nahafatesany raha vao nilamindamina kely ny raharaha. Ady aman’aina isan’andro ankehitriny no iainan’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny faritra. Miova tanteraka ny zava-misy satria ireo dahalo izay tsy nampiasa afa-tsy lefona sy pilotra taloha dia efa samy manana kalachnikov sy farafaharatsiny basim-borona. Izy ireo anefa dia tsy latsaky ny dimampolo no manafika ary samy mitazona basy avokoa. Na miezaky manohitra aza ireo mpitandro ny filaminana miaraka amin’ny vahoaka, izay efatra na dimy raha be indrindra ny isany, dia tonga matetika amin’ny famoizana aina toy izao. Takatry ny dahalo izany tsy fitovian-kery izany ka mahatonga azy ireo ho sahy mifanehatra tanteraka.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici