Miaramila iray avy ao amin’ny Kaompania faha-510 avy ao Belo/Tsiribihina no lavon’ny dahalo nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny kizon’Antsirasira, ny talata hariva lasa teo. Tsy vitan’ny lavon’ny bala anefa ity miaramila ity fa mbola norasarasain’ireo andian-dahalo ny vatana mangatsiakany. Very tamin’izany ny basy « kalack » iray sy fitoeram-bala roa. Ny zava-nitranga : andian-dahalo maromaro no nanafika tao amin’ny tanànan’Andranomavo, Belo/ Tsiribihina, ny talata maraina lasa teo. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana ary nanao fanarahan-dia avy hatrany ireto malaso ireto. Mpitandro filaminana izay nahitàna zandary sy miaramila avy ao amin’ny kaompania faha-510. Tonga teo amin’io toerana voalaza ambony io dia raikitra ny fifandonana tamin’ireo mpanara-dia sy ireo andian-dahalo, tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any. Tamin’izany fifandonana izay no nahalavo an-dRamisaray Eric, miaramila, mitondra ny grady « Sergent Chef » , izay miasa ao amin’io kaompania io. Araka izany, tsy votsotra ireo omby lasan’ireo malaso ary mbola nanohy ny fitsoahany ireto farany. Efa nalaina ny vatana mangatsiakan’ity miaramila lavo an-tanim-piadiana ity ary efa nentina tany amin’ny toby nisy azy. Nisy ampahany tamin’ireo mpanara-dia kosa no mbola nanohy nanenjika ireto malaso ireto.
m.L