Fivarotana enta-madinika iray indray no lasibatrin’ny asan-jiolahy teny amin’iny faritra Talatamaty iny ny harivan’ny talata lasa teo. Tsy nisy ny aina nafoy, na ny naratra saingy na izany aza dia vola eo amin’ny iray tapitrisa ariary mahery teo ho eo sy finday roa no lasan’ireto olon-dratsy ireto. Araka ny fampitam-baovao dia nirefodrefotra tokoa ny basy teny Amborompotsy, tokony ho tamin’ny dimy ora latsaka teo ho eo. Dimy lahy ireo jiolahy, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso, tsy misaron-tava ary samy nitondra basy sy zava-maranitra no nanao amboletra niditra tao amina fivarotana enta-madinika iray. Toy ireny olona hividy zavatra ireny ny sasany tamin’ireo olon-dratsy niditra tao amin’ity tsena ity. Avy hatrany dia namoaka basy ireto farany ary nandrahona ireo tompon-trano. Sendra ny hery tsy mitovy sy tahotra dia nanaiky izay nolazain’ireo jiolahy ny tompon’ny tsena, izay tsy afa-nanoatra. Efa tetik’ireo olon-dratsy mpanafika hatramin’izay dia hoe maka avy hatrany ny findain’ny olona tafihana amin’izay tsy afaka miantso vonjy. Araka izany nanao izay danin’ny kibony izy ireo, nandroaka ireo vola matin’ity tsena ity, izay mitontaly any amin’ny dimy hetsy sy iray tapitrisa ariary any ho any. Vao azon’izy ireo nilainy, dia nitsoaka nandositra nianavaratra izy ireo. Tsy vitan’ny nitsoaka fa mbola nanapoaka basy teny an-tanany, ho fampitahorana ireo fokonolona izay miana-kendry ny hanaraka azy ireo. Fotoana fohy taorian’izay no tonga ireo zandary misahana iny faritra iny, ary avy hatrany nanao ny fanarahan-dia sy ny savahao ny manodidina. Hatreto moa dia mbola eo am-panaovana fikarohana sy fanadihadiana mahakasika ity fanafihana ity ireto farany.
m.L