Fatin-dehilahy iray no nakarin’ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna avy ao amin’ny ranon’Ikopa eny Anosizato omaly maraina ka naterina tao amin’ny Tranom-paty etsy Ampefiloha rehefa vitany fizahana nataon’ny BMH sy ny mpitandro ny filaminana. Araka ny fantatra dia mpanao biriky eny amin’ny faritra Anosizato iny ny lehilahy. Niaraka tamin’ny namana mpiara-miasa aminy izy no nitranga izao loza izao. Voalaza fa handeha hody any Ambohitompoina izy ireo rehefa avy nandray vola. Teny an-dalàna anefa, dia nisolifatra tampoka ity lehilahy ity ka nianjera tao anaty rano raha nandalo ny moron’Ikopa izy ireo Niezaka namonjy azy ireto namany saingy tsy nisy azo natao intsony fa efa nentin’ny rano ranamana. Tsy maintsy niditra an-tsehatra noho izany ny “Pompiers” etsy Tsaralalàna.
Na izany aza anefa, tsy maintsy nanokatra fanadihadiana ihany ny mpitandro ny filaminana satria araka ny fantatra dia nitondra vola 300 000 ariary ity niharam-boina tamin’io fotoana io.
T.M.