Ireny fiara amidy ka mametraka laharana finday ireny no lasibatr’ilay olon-dratsy. Handefasany hafatra fohy (sms) ilay laharana ary rahonany fa raha tsy manome izay vola lazainy dia hapoakany ny baomba izay napetrany ao ambanin’ny fiara. Mikoropaka tokoa ny tompony satria sady fantatr’ilay olona ny laharana finday no fantany koa ny laharan’ny fiara, toa midika fa tena olona mahay ny ataony ilay olon-dratsy. Mba tsy nihaotra anefa ny nanatona pôlisy ary nasaina nametraka fitoriana tao amin’ny BC avy hatrany. Nanomboka teo ny fametrahana paika entina hamitahana ilay olon-dratsy avy amin’ny nomerao nandefasany sms. Tamin’ity tranga ity dia vola mitentina 3.400.000 ariary no notakiany. Voasambotra ihany ilay lehilahy ary natolotra ny fampanoavana omaly noho izany fandrahonana ho faty sy fanerena olona hanome vola izany. Mivoatra amin’ny ratsy ny sain’ny olona sasany ary indrindra koa mitady hanao ariary zato am-pandriana, araka ny fitenenana fahagola. Raha ny fandinihina ilay tranga dia mitady ny fomba faran’izay mora nefa hahazoana volabe ity olon-dratsy…kamolahy ity. Azo heverina fa nokajiany ny handefasana ny vola amin’ny alàlan’ny « mobile banking » amin’ilay laharana izay nampiasainy dia vita hatreo ny fandrahonana. Niseho azy ho fetsy loatra…
D.R