Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ilay raim-pianakaviana namono ny zanany roa volana teny Ampamatanana Androndra, vokatry ny adin’izy mivady. Araka ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana dia naiditra am-ponja vonjimaika ity ray adala ity, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna azy. Ny 28 jolay lasa teo no niseho ity habibiana ity rehefa nifamaly noho ny resaka sakafo ny ray aman-drenin’ilay zaza. “Nandeha niasa ilay raim-pianakaviana ny maraina ka nametraka vola hatao sakafo. Rehefa niverina izy ny hariva dia tao anatin’ny hamamoana, nanontany sakafo tamin’ny vadiny, nentin-katezerana ilay ramatoa ka namaly hoe tsy nisy sakafo. Tezitra tamin’izany ity raim-pianakaviana ity ka namono ny vadiny. Nampinono ny zanany anefa ilay ramatoa tamin’io fotoana io ka raha nisintona azy ilay rangahy dia ilay zaza no voasintona ka nikipily ary nidona tamin’ny entana tao an-trano. Ny maraina ilay ramatoa vao nandeha nitondra ny zaza teny amin’ny hopitaly ka teny ilay zaza no maty. Rehefa nahare izany ilay raim-pianakaviana dia nandeha nandositra », hoy ny fampitam-baovao. Natao avy hatrany ny fikarohana ilay rangahy ka io tratra io izy, ny alakamisy lasa teo, teny an-toerana hatrany.
m.L