- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Nodidiany ny filahiany ary nesoriny ny voany

Ambatondrazaka : Nodidiany ny filahiany ary nesoriny ny voany

Tovolahy sahabo eo amin’ny 30 taona eo ho eo no hitan’ny olona mitanondrika teo amin’ny sisin-tanàna , tao  Fiadanana Bejofo, ny  alakamisy 3 aogositra 2017 lasa teo .Efa mihosin-dra tanteraka ny pataloan’ilay tovolahy  ary efa tsy nahitan-teny izy. Rehefa nanontanian’ny  komitin’ny fokontany izy dia nanambara fa nesoriny ny voan’ny filahiany, ary napetrany teo ambonin’ny maloto, fa misy ilana azy. Nikoropaka ny rehetra satria tsy mijanona ny rà amin’ilay tovolahy, ka avy hatrany dia nentina tao amin’ny hopitaliben’Ambatondrazaka. Dia nozairina sy notsaboina ilay tovolahy, efa afaka kosa ny voan’ny filahiany. Nanao ny fanadihadiana tamin’ity tovolahy ity ny rehetra  ny amin’ny toerana niaviany sy ny havany, fa tsy niresaka mihitsy izy. Tao ny nilaza fa metsy ho tsy salama saina ity olona ity. Ny fitafy nanaovana anefa dia madio ara-dalàna. Raha araka ny fanadihadiana teny anivon’ny hopitaly ihany koa dia tsy vao sambany nanapaka ny filahiany sy ny voany ity tovolahy ity, satria feno holatra sy  diana zavatra maranitra ny filahiany, ka asa na misy antony hafa na efa tsy salama saina tokoa. Nahazo fitsaboana ara-dalàna ilay lehilahy ary efa tsy dia atahorana intsony ny fahasalamany na dia betsaka aza ny rà very. Niteraka resabe taty Alaotra mantsy ilay halatra filahiana tany Tanambao besakay,  izay namonoana zaza, iny ary saika hanaovana sorona hamoahana vato, ka asa na mifandraika amin’izany ity na ahoana. Mandeha ny fanadihadiana.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici