Anisan’ireo andian-jiolahy, mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eny amin’iny faritra Anosibe sy ny manodidina i Nono. Voarohirohy tamin’ny resaka famonoana ho faty pôlisy iray mpanao fanantanjahan-teny isa-maraina teny Ambohijanahary izy sy ny namany. Taorian’ny nisamborana azy ny alarobia lasa teo teny Anosibe dia fantatra fa nadoboka avy hatrany eny Tsiafahy ity mpanendaka rain-dahiny ity. Tafaporitsaka teo am-pisamborana kosa ireo namany, izay mbola karohina hatramin’izao. Raha ny zava-nitranga : ny 26 jolay lasa teo dia nahitàna lehilahy nitsirara teo am-povoan’arabe, teny amin’iny faritra Andrefan’Ambohijanahary iny, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina. Nentina novonjena tany amin’ny hôpitaly ity farany saingy, indrisy fa tsy tana intsony ny ainy ny ampitson’io. Tamin’ny fanadihadiana dia fantatra fa pôlisy ity rangahy ity, ary nisy namono. Nahitàna mangana mantsy ny faritry ny vatany ary nisy ratra ihany koa teo amin’ny lohany. Raha ny fampitam-baovao azo dia mety efa nokendren’ireo nahavanon-doza ny famonoana azy. Tamin’ny fotoana fanaovany fanantanjahan-tena, isa-maraina mantsy izy no io hitan’ny olona nitsirara tanaty dobon-drà io. Nitohy ny fanadihadiana ary fantatra fa andiana mpanendaka eny an-toerana no namono ity mpitandro filaminana ity. Nalefa avy hatrany ny velam-pandriaka ka io tratra teny Anosibe io ny iray tamin’ireo voalaza fa namono ilay pôlisy. Nisy namany iray niaraka taminy, izay isan’ny voatonona tao anatin’ireo namono saingy tafatsoaka ity farany. Omaly no fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity voasambotra ity ary io nadoboka am-ponja miandry ny fitsaràna azy io. Mitohy kosa ny fikarohana ireo namany hafa.
m.L