Tokantrano iray no nisy nanafika tao Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny Sabotsy hifoha ny Alahady teo. Araka ny vaovao voaray avy teo anivon’ny zandarimaria, dimy lahy tsy nanao saron-tava sy mirongo basy ary zava-maranitra no niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano ity, tamin’ny misasak’alina tany ho any. Avy hatrany dia norahonana sy nodarohana ilay raim-pianakaviana tompon-trano ka norobaina tamin’izany ny vola 900 000 ariary, peratra volamena, fakantsary. Tsy maintsy nalefa haingana tany amin’ny hôpitaly ilay tompon-trano noho ny ratra mafy nahazo azy. Efa mandeha ny fikarohana ny nahavanon-doza.
T.M.