Mitaraina ny vahoaka ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra ankehitriny fa tsy mitsahatra miakatra ny vidim-piainana any amin’izy ireo. Antony roa no nambaran’ny mponina tamin’ny resaka an-tarobia nifanaovana tamin’izy ireo mahatonga izany. Ny voalohany dia noho ny faharatsian’ny ranomasina izany hany tokana fitaterana mpitondra ireo entana ilain’ny mponina an-toerana. Nahitana faharatsiana hatrany mantsy ny andro tato ho ato aty Toamasina, ka mahatonga ny tompon’andraikitra ny APMF eto Toamasina tsy manome fahazoan-dalana ireo sambo mpitatitra entana mivoaka ny seranan-tsambo isorohana ny loza mety hitranga amin’ny faharatsian’ny ranomasina. Ireo fiara tsy mahato-dalana mba mitatitra izay zakany saingy tsy mahafaka firy. Ny faharoa dia ny fotoam-pihotazana lavanilina izay mahatratra 160.000 ariary eo ny maintso izao izay hany mbola azo amidy eo amin’ny tsena anatiny hatreto, ka mitobaka ny vola ao anatiny hany ka tsy mahavita ny asany hatramin’ny ben’ny tanana sy ny lehiben’ny distrika ary ireo mpiasam-panjakana sasany, fa variana mividy lavanilina avokoa amin’ny fakana vola amin’ireo mpandraharaha mpanondrana avokoa. Vokany dia tafakatra 20.000 ariary ny kilaon’ny hen’omby, 700 ariary ny kapoaka ny vary izany hoe ny 2.400 ariary ny kilao, 12.000 ariary ny gony simenitra amin’ny Arina, ary efa mahatratra 600 ariary ny iray amin’ny voatabia sy ny tongolo.
Manomboka tsy hita koa ny solika ka ireo manana amin’ny varo-maizina dia mahatratra 12.000 ariary ny litatry ny lasantsy, raha hatrany amin’ny 15.000 ariary ny litatry ny gazoala izay tena be mpampiasa amin’ireo fiara tsy mataho-dalana maro any an-toerana. Manao antso avo mba tsy hanaovana azy ireo ho lavitra andriana ny mponina, satria tena tsy misy mpiahy izy ireo…
Malala Didier