Mahagaga ihany raha seranam-piaramanidina iraisam-pirenena toy ny eny Ivato, no andrenesana mpandeha voaendaka sy voasoloky eo am-piondranana ny fiaramanidina, indrindra fa vahiny mba nitsidika ny firenena no iharan’izany. Vao tsy ela akory fa, tamin’ny faran’ny volana jolay lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Vazaha iray handeha handray zotra iraisam-pirenena ho any ivelany no very vola 90 000 ariary, rehefa nosolokian’ireo olona milaza fa mpanakalo vola vahiny mivezivezy eny amin’ny toeram-piantsoan’ny Seranan’Ivato. Lehilahy malagasy iray no tonga dia nanatona ny fiara nanatitra ity Vahiny ity ka nanontany azy raha manana vola malagasy izy ka tokony hatakalo “devise” satria tsy ilainy intsony io. Tena nampiseho vola vahiny tokoa ilay lehilahy ka roboka ity vahiny. Vao natolotra azy anefa ny 90 000 ariary dia nentin’ity malagasy milaza ho mpanakalo “devise” nirifatra nandositra. Fa ny tena mahavalalanina tamin’ity tranga mampalahelo ity, dia tsy nahitana mpitandro filaminana akory teny an-toerana tamin’io fotoana io. Tsy dia atao mahagaga loatra aloha izany, satria ireo mpandeha eny amin’ity seranam-piaramandina ity dia mahalala tsara fa misy fotoana toa gaboraraka mihitsy ny fitandroana ny filaminana eny amin’ny fiantsonan’ny fiarakodia, indrindra eo anelanelan’ny amin’ny 02 ora ka hatramin’ny 05 ora maraina eo ho eo. Vokany, ireny mpikarama mpibata entana sy manosika kalesy (chariot) ireny sisa no manao izay saim-pantany amin’ny fandaminana eny an-toerana. Tsy mahagaga raha manararaotra ny sasany manao ny asa ratsiny ka mahatonga ny maro hiahiahy, fa sao misy tsikombakomba amin’ireo mpitandro filaminana ihany ao ambadik’izao raharaha izao.
T.M.