- Publicité -
mercredi, décembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversFernand Cello : Telo volana am-ponja,omaly

Fernand Cello : Telo volana am-ponja,omaly

Omaly no feno telo volana katroka ny fitazonana am-ponja ao Sakaraha an’i Fernand Cello. Mifangaro amin’ny dahalo sy ny mpanao heloka bevava ao ilay mpanao gazetin’ny Radio Jupiter, fantatry ny maro noho ny fahasahiany nitatitra ny zava-misy momba ny fitrandrahana safira tsy ara-dalàna ao Ilakaka. Nanonona manam-pahefana maromaro tao anatin’ny tatitra nataony ka nozarainy tamin’ny haino aman-jery teto Andrenivohitra izy ary tsy ela taorian’izay dia nivoaka ny didy fampisamborana, mazava loatra fa ny valin-kafatra. Voatery nitsoaka taty Antananarivo izy mba ho fanavotana ny ainy ary rehefa mbola nitohy ihany ny fitantarana ny zava-nisy izay nolazainy fa hitany, dia tonga taty an-toerana mihitsy ny mpitandro ny filaminana nisambotra azy. Tsy nisy resaka fa na mbola nitsabo tena tao amin’ny hopitaly aza izy  avy hatrany dia noraisina ary nentina avy hatrany tany Ilakaka. Nolazaina hatrany, fa tsy misy nifandraisany tamin’ny asa fanaovan-gazety ny nanenjehana azy. Ny mpanara-baovao, dia nahatsikaritra anefa fa fisamborana miendrika pôlitika ity nahazo an’i Fernand Cello ity. Tsy mitombina rahateo, hoy ny mpiaro azy, ny hoe nangalatra seky izy ary noporofoin’ny banky izany. Momba io raharaha io, dia efatra herinandro izay no nakatona ny fanadihadiana izay nampifanatrehana azy sy ny mpitory azy. Efa nisy ihany koa ny taratasin’ny mpitsara mpanao famotorana izay manome fahefana amin’izay ny tribonaly ady madio mba hitsara ny raharaha. Hatramin’izao anefa, dia mbola tsy nivoaka ihany ny daty hanatontosana an’izany. Toy ireny andrasana ho lo ao am-ponja ao ilay olona. Ny fikambanana iraisam-pirenena maro dia nanameloka avokoa ity raharaha ity, saingy toa tsy nisy varany izany. Amin’iretsy voalohany mantsy, dia namoronana dosie tsotra izao i Fernand Cello mba entina hampanginana azy. Handrasana ny fahendren’ny mpanapaka ny mba hitsara amin’izay ity raharaha ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici