- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversSambava : Tovolahy avy any Antalaha, sarona niaraka tamin’ny vola sandoka 10.000...

Sambava : Tovolahy avy any Antalaha, sarona niaraka tamin’ny vola sandoka 10.000 Ariary maromaro

Lasa ny voay, tonga misosoka koa ny mamba. Raha naiditra am-ponja vonjimaika ny tolakandron’ny alatsinainy teo, ny telo lahy tra-tehaka voatondro fa mpanaparitaka sy mpanamboatra vola sandoka 20.000 Ariary, dia tovolahy iray hafa mbola tanora erotrerony indray afak’omaly no voasambotry ny Polisy ao Sambava niaraka amin’ny vola vaovao sandoka roa alina ariary maromaro sy vola sandoka 10.000 Ariary taloha iray sarona tao am-paosiny. Rehefa nosavain’ny mpitandro filaminana ny sakaosy nentin’ity tovolahy avy any Lanjarivo Antalaha ity, dia mbola nahitana vola sandoka ihany koa. Aorian’ny famotorana lalina tsy maintsy hatao aminy, mba hahafantarana marina hoe: avy aiza ny fiavian’ireto vola sandoka? Dia hatolotra ny fitsarana tsy hoela ity tovolahy tra-tehaka ity, hoy ny tompon’andraikitry ny filaminam-bahoaka ao Sambava. Na dia eo aza ny tsindry isan-karazany sy ny fanambazana volabe samihafa, dia tsy hitsitsy amin’ireo fahavalom-pirenena mpanabotry ny mpiara-belona aminy mpibizina, mpanamboatra ary mpanaparitaka vola sandoka ireo mpitsara ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha, raha ny loharanom-baovao marim-pototra voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici