- Publicité -
lundi, novembre 17, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBeroroha : Mpitety tsena voatafika, lasa ny lelavola 650 000 Ariary

Beroroha : Mpitety tsena voatafika, lasa ny lelavola 650 000 Ariary

Tato ho ato, saika isan’andro no nandrenesana fanafihan-dahalo narahina vono olona tsy manan-tsiny foana any amin’ny Distrikan’i Beroroha, Faritra Atsimo Andrefana. Afak’omaly hariva, tokony ho tamin’ny dimy ora tany ho any, mpivady avy nitety tsena hamonjy fodiana no notafihana efa-dahy, nitondra basy poleta vita gasy ny telo ary famaky maranitra kosa ny iray. Ity farany, raha ny tati-baovao azo, dia dahalo antitra sady kilemaina tongotra havia, izay nody nanakana an’ireto mpivady mpivarotra nandeha sarety mba hividy siramamy, 3 km latsaka kely eo tsy hiditra ny tanàna. Raha vao tafajanona izy mivady izay tsy nanampo na inona na inona, ary tsy nihevitra an’ity rangahy ho olon-dratsy, dia nipoitra avy tao anaty kirihitr’ala niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana nirangaranga ny malaso telo sady nibetroka nitaky ny vola, ka lasan’ireo mpandroba tamin’ity fanafihana an-dalambe ity, ny lelavola mitentina 650 000 Ariary (vola maty roa andro) niaraka tamin’ny entana PPN zakan’ireo malaso. Tsy nanohitra, tsy niantso vonjy izy mivady mpivaro-mandeha mpitety tsena voatafika ireto ka tsy novonoin’ireo dahalo na noratrainy, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici