- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntananarivo : Amidy 2500 ariary ny kilaon’ny trondron’Anosy

Antananarivo : Amidy 2500 ariary ny kilaon’ny trondron’Anosy

Misy hatrany ireo olona manarato sy maka trondro ao amin’ny farihin’Anosy sy ireo rano maloto eto Antananarivo na dia eo aza ny fanenjehana ataon’ny mpitandro ny filaminana. Vehivavy efatra no indray saron’ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faha-5 etsy Mahamasina ny alatsinainy teo, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany,  teo am-panaratoana tao amin’ny farihin’Anosy. Mbola teny amin’izy ireo daholo ny fitaovana entina manarato sy hitaterana izany, ary trondro maromaro. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa avy any Ambohimanatrika Tanjombato izy ireo izao tonga manarato eto amin’ny ranon’Anosy izao, saingy nisy olona naniraka hanao izany. Nilaza izy ireo fa hanaovana « provandy » hohanin’ny kisoa ireo trondro azo ary rangahy iray no mandray izany ka vidiany 2500 ariary ny kilao. Asa aloha na izany tokoa, satria miparitaka eny an-tsena ihany ireny trondro maloto ireny. Ny 8 aogositra no natolotra ny  Fitsarana ireto vehivavy ireto.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici