- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAnosizato : Lehilahy nianjera teny am-pijapiana fiara, maty nohosehin’ny kamiô

Anosizato : Lehilahy nianjera teny am-pijapiana fiara, maty nohosehin’ny kamiô

Nandriaka indray ny rà teny amin’iny faritra  Anosizato iny omaly tolakandro. Rangahy iray manodidina ny 50 taona any ho any no maty tsy tra-drano rehefa nohosehin’ny kodiarana kamiô teny an-toerana. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso dia toa hoe nijapy fiara iray izy io no nianjera. Sendra ny loza tsy nampilaza anefa fa nisy fiarabe iray nanaraka io fiara io avy tato aoriana ka dia voadona izy. Ary tsy vitan’izay fa mbola voarain’ny kodiarana ny vatany. Voatety mihitsy ny faritry ny kibony. Noho ny vesatr’ilay fiara dia nipotsaka avy taoriana ireo taovany. Nandriaka ny rà, ary namoy ny ainy teo ho eo ihany ity lehilahy ity, izay tsy nisy azo natao intsony. Araka ny filazan’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga hatrany dia mponina eny amin’iny faritra iny ihany ity lehilahy ity, izay mpitarika sarety eny an-toerana. Efa natsoina moa ireo fianakaviany teo anatrehan’ity loza mahatsiravina ity. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo mpitandro filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana nijery ifotony ny zava-nisy ary nitondra ilay mpamilin’ilay fiarabe, nentina nanaovana fanadihadiana. Fa mbola lozam-pifamoivoizana hatrany, fiara tsy mataho-dalana iray no nivadibadika tetsy amin’ny fiolanana mihazo an’i Belair iny raha avy any Ampandrana, omaly alina tokony ho tamin’ny 11 teo ho eo. Nandeha mafy io fiara io araka ny filazan’ireo mpanao fanadihadiana kanjo tsy nahatana ny familiana ny mpamily rehefa tojo ilay fiolanana ary dia io nivadika io ilay fiara. Raha ny fanazavana azo hatrany moa dia tsy nisy aina nafoy. Ilay mpamilin’ilay fiara no naratra vokatr’izany loza nihatra taminy izany. Potika tanteraka kosa ity fiara nivadika ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici